« Retour au blog de dahents

ekeko tsotr'izao

Ianao


Iny masoandro iny
Na hilentika aza
Iny volana iny
Na ho sarona aza
Ho feno hazavana ny androm-piainako
Rehefa ianao no eo anilako

Toa ho rako-javona aman'erika
Toa ho ratsy foana ny aritreritra
Raha lavitra anao
Raha toa ka tsy eo ianao
Ka aza ilaozanao
Inty aho anjakao
Ekeko tsotra izao

Na ho levona aza
Izao rehetra izao
Na tsy hisy intsony
Ny ankoatrako sy ianao
Ho feno dia ho feno ny androm-piainako
Rehefa ianao no eo anilako

Toa ho rako-javona aman'erika...
Ka aza ilaozanao
Inty aho anjakao
Ekeko tsotra izao

# Posté le vendredi 10 octobre 2008 06:57

Modifié le mardi 04 novembre 2008 17:23

« Article précédent : Bye Bye les filles on se voit à mada

Article suivant : superbofy »